forked from WA-Catalog/plt_tn
931 B
931 B
Tsy mivavaka ho an'izao tontolo izao
Eto ny hoe "izao tontolo izao" dia milaza ireo olona izay manohitra an'Andriamanitra. DH: "Izaho dia tsy mivavaka ho an'ireo izay tsy Ahy"
eto amin'izao tontolo izao
Ity dia entina hilazana hoe eto an-tany ary isan'ireo olona manohitra an'Andriamanitra. DH: "isan'ireo olona izay tsy Ahy"
Ray Masina o, tazomy amin'ny anaranao izay nomenao Ahy izy ireo mba hitambatra ho iray, tahaka ny maha iray Antsika.
Jesosy dia mangataka ny Ray mba hitazona ireo izay mahatoky Azy mba hafahan'izy ireo manana fifandraisana akaiky amin'Andriamanitra.
Ray
Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra
tazomy amin'ny anaranao izay nomenao Ahy izy ireo
Eto ny teny hoe "anarana" dia milaza ny fiarovan'Andriamanitra sy ny fanaraha-masony. DH: "tazomy eo ambanin'ny fiarovan'ny anaranao tahaka ny niarovanao Ahy izy ireo" na "Arovy izy ireo amin'ny herin'ny anaranao izay nomenao Ahy"