forked from WA-Catalog/plt_tn
24 lines
1008 B
Markdown
24 lines
1008 B
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Miresaka momba an'i Joda sy Israely i Yaveh.
|
|
|
|
# Ireo mpitarik'i Joda dia toy ireo izay mamindra fefy vato
|
|
|
|
Ny "mamindra fefy vato" dia ilazana ny famindrana ny mari-tany izay nanamarika ny fetran'ny tany sasany, izay heloka teo amin'ny lalàn'ny Israelita.
|
|
|
|
# Hararako toy ny rano amin'izy ireo ny fahavinirako
|
|
|
|
Ny fahatezeran'i Yaveh amin'i Joda dia ho tahaka ny rano lehibe mandriaka izay hamotika azy ireo. Ao amin'ny soratra masina, ny toetoetra ara-moraly sy fihetseham-po matetika dia resahina toy ny hoe rano.
|
|
|
|
# Torotoro Efraima; torotoron'ny fitsarana izy
|
|
|
|
Natao indroa io teny io mba ho fanamafisan-kevitra. Eto ny "Efraima" dia manondro ireo olona ao amin'ny fanjakana tavaratr'Israely. DH: "Ho faiziko mafy ireo vahoakan'Israely"
|
|
|
|
# hanaraka sampy
|
|
|
|
Eto ny hoe "manaraka" dia maneho hevitra fanompoana.
|
|
|
|
# sampy
|
|
|
|
Ny teny Hebreo izay nadika hoe "sampy" eto dia tsy hay mazava ny heviny, ary izany dia adikan'ny dikan-teny vaovao amin'ny fomba maro samihafa.
|