1.1 KiB
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela momban'ny vahoaka izay nipetraka tao amin'ireo ravan'Isrely.
Mihinan-drà ianareo
Tiana lazaina fa mihinana rà izy ireo amin'ny fihinanana hena izay mbola misy rà ao anatiny. Yaveh dia nandidy azy ireo mba handatsaka ny rà. DH: "mihinana hena misy rà ao anatiny ianareo."
manandratra ny masonareo any amin'ireo sampinareo
"mijery ny sampinareo ianareo." Ity dia midika hoe "manompo ny sampinareo ianareo" (UDB)
nandraraka ràn'olona ianareo
DH: "mandatsa-drà ianareo." Ity dia midika hoe "mamono olona ianareo."
Tokony hahazo ny tany tokoa ve ianareo?
Mampiasa ity fanontaniana ity Yaveh mba hitenenana mafy ny vahoaka. DH: "Tsy tokony hahazo ity tany ity ianareo" na "tsy mendrika anareo ity tany ity."
Efa niankina tamin'ireo sabatrareo ianareo
DH: "efa nampiasa ny sabatrareo mba hahazoana izay tianareo ianareo"
nanao zavatra maharikoriko
DH: "nanao zavatra izay tena halako mafy"
ny lehilahy tsirairay dia mandoto ny vadin'ny mpiara-monina aminy
Tiana lazaina fa izy ireo dia mandoto ireo vadin'ny mpiara-belona aminy amin'ny fiarahana mandry amin'izy ireo.