forked from WA-Catalog/plt_tn
1.0 KiB
1.0 KiB
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manohy miresaka amin'ny vahoaka i Mosesy.
Nataony tao am-pony mba hampianarana izany
Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Bezalela. Ny fahaizana mampianatra dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka apetraka ao am-po. DH: "Nomeny an'i Bezalela ny fahaizana hampianatra"
Nameno azy ireo tamin'ny fahaiza-manao zavatra
Ny fahaizana mamorona zavatra kanto dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka mameno olona izany. DH: "nahatonga azy ireo ho mahay tokoa"
Oholiaba zanaka lahin'i Ahisamaka, avy amin'ny fokon'i Dana
"Oholiaba" sy "Ahisamaka" dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:6.
mpanao asa sokitra
olona izay misikotra sary eo amin'ny zavatra mafy tahaka ny hazo, vato, na vy
mpanao peta-kofehy
olona izay manjaitra sary eo amin'ny akanjo
mpanao asa-tanana
olona izay manam-pahaizana amin'ny fanaovan-javatra tsara amin'ny tanana
mpanenona
olona izay mamorona lamba amin'ny kofehy
mpamorona asa kanto
olona izay mamorona zava-kanto