plt_tn/2sa/11/21.md

1.2 KiB

Iza no namono an'i Abimeleka zanak'i Jerobeseta?

Lazain'i Joaba fa mety hiteny mafy azy i Davida tamin'ny nametrahany ireo fanontaniana fampisainana ireo. Ireo dia mety ho soratana ho fehezanteny. DH: "Tsarovy ny fomba nahafaty an'i Abimeleka zanak'i Jerobeseta!"

Abimeleka zanak'i Jerobeseta

Io dia anaran-dehilahy. Fantatra amin'ny anarana hoe Gideona ihany koa ny rainy.

Moa tsy vehivavy iray ve no nandefa vato fikosoham-bary taminy avy eny amin'ny manda, izay nahafaty azy tany Tebeza?

Lazain'i Joaba fa mety hiteny mafy azy i Davida tamin'ny nametrahany ireo fanontaniana fampisainana ireo. Ireo dia mety ho soratana ho fehezanteny. DH: "Tsarovy fa maty tany Tebeza izy rehefa nisy vehivavy nandatsaka vato fikosoham-bary taminy avy eny amin'ny tampon'ny manda."

vato fikosoham-bary

vato mavesatra izay afaka mikodiadia, nampiasaina mba hamotehina vary hanaovana mofo

avy eny amin'ny manda

"avy eny amin'ny tampon'ny mandan'ny tanàna"

Tebeza

Io dia anaran-tanàna.

Nahoana ianao no teny amin'izay akaiky dia akaikin'ny manda no nandeha?

Lazain'i Joaba fa mety hiteny mafy azy i Davida tamin'ny nametrahany ireo fanontaniana fampisainana ireo. Ireo dia mety ho soratana ho fehezanteny. DH: "Tokony tsy nandeha akaiky loatra ny manda ianao!"