1.1 KiB
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola nanohy ny resany tamin'i Joasy, mpanjakan'Israely i Elisa.
Sokafy miatsinana ny varavarankely
"Sokafy mitodika miatsinana ny varavarankely" na "sokafy miatsinana io varavarankely io" (UDB)
Dia nosokafany izany
Satria efa teny an-tanan'i Joasy ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, izany hoe mety ny mpanompo no nanokatra ny varavarankely. DH: "Dia nosokafan'ny mpanompo izany" (UDB)
nitifitra izy
"nitifitra tamin'ny zana-tsipìka"
Izany no zana-tsipìkam-pandresen'i Yaveh, zana-tsipìkam-pandresen'i Yaveh teo amin'i Syria
Azo azavaina ny fifandraisan'ny tsipìka sy ny zana-tsipìka amin'ny fandresena. DH: "Ity zana-tsipìka ity dia famantarana avy amin'i Yaveh fa hanome fandresena anao eo amin'i Syria Izy" na "Ity zana-tsipìka ity dia manamarika fa hanome fandresena anao eo amin'i Syria i Yaveh"
Afeka
Tanàna ao amin'ny tanin'Israely izany.
Saingy tezitra taminy ilay lehilahin'Andriamanitra
"Saingy tezitra tamin'i Joasy mpanjaka i Elisa"
mandra-paharinganao izany
"mandra-pandravanao tanteraka izany" na "mandra-pandringanao tanteraka azy ireo" (UDB)