plt_tn/zec/13/08.md

921 B

izany no fanambaran'i Yaveh

Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.

Ho entiko amin'ny afo io ampahatelony io

Ny vy dia ampadalovina afo mba hanadiovana sy hanamafisana azy. Io fitenenana io eto dia ampiasaina ho sarinteny hilazana ny fandefasana ny olona amin'ny fampijaliana mba ahafahan'izy ireo ho lasa mahatoky kokoa amin'Andriamanitra.

ho dioviko tahaka ny manadio volafotsy izy ireo; ho zahako tahaka ny volamena voazaha izy ireo

Ny fanadiovana dia manondro ny fanaovana ny vy sarobidy tahaka ny volafotsy madio kokoa. Ny vy tahaka ny volafotsy sy volamena dia tsapaina mba hahitana ny hadio sy ny hamafiny. Ny fanadiovana sy ny fitsapana eto dia samy sarinteny hilazana ny fanaovana ny olona ho mahatoky kokoa amin'Andriamanitra.