plt_tn/zec/09/14.md

1.6 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity fizaran'ny faminaniana ity dia mitohy amin'ireo tenin'i Hosea, fa tsy amin'ireo tenin'i Yaveh izay nolazaina tamin'ny alalany.

Hiseho amin'izy ireo

Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Andriamanitra. DH: "ho hitan'ny olony eny an-danitra" na "ho tonga amin'ny vahoakany"

hitifitra tahaka ny tselatra

Matetika ireo Israelita dia mihevitra ireo tsela-baratra ho tsipìka izay alefan'Andriamanitra.

hitsoka trompetra

Tandrok'ondrilahy ireo trompetra. Hitsoka ireo mba hanome famantarana amin'ny ady sy amin'ny fotoana hafa ny vahoaka.

handroso avy amin'ny tafio-drivotra avy any Temana

Matetika ireo Israelita dia mihevitra an'Andriamanitra ho mandeha amin'ny tafio-drivotra mafy avy any atsimo.

handevona

DH: "handresy tanteraka"

handresy ny vaton'antsamotadiny

Handresy ireo miaramila izay niady tamin'ny antsamotady ireo Israelita. Ireo miaramila ireo dia manambara ireo fahavalon'ny Israely rehetra, na inona na inona fitaovam-piadiana lanjain'izy ireo.

Ary dia hisotro izy ireo ary hidradradradra tahaka ny olona mamon'ny divay

DH: "Hihiaka sy hankalaza ny fandresen'izy ireo mafy tahaka ny hoe mamo izy ireo."

ho feno divay tahaka ireo lovia izy ireo

Io dia mety manondro ireo lovia izay nampiasain'ireo mpisorona mba hitondrana ny ràm-biby eny amin'ny alitara. DH: "ho feno divay tahaka ireo kovetabe izay itondran'ireo mpisorona rà eny amin'ny alitara izy ireo"

tahaka ireo zoron'ny alitara

Nisy zorony mahitsy izay anangonana ny ràm-biby ireo alitara. DH: "takaha ireo zoron'ny alitara izay feno rà"