plt_tn/zec/09/11.md

1020 B

Raha ny aminareo

Eto ny hoe "aminareo" dia manondro ny vahoakan'Israely.

lavaka izay tsy misy rano

Io lavaka io dia manambara ny sesitany.

Miverena any amin'ny fiarovana mafy

DH: "Miverena any amin'ny firenenareo izay hahatsara anareo"

gadran'ny fanantenana

Io dia fiteny anondroana ireo Israelita tany an-tsesitany izay mbola matoky an'Andriamanitra fa hanavotra azy ireo.

nanenjana an'i Joda ho tsipìkako

Ny vahoakan'i Joda dia tondroina toy ny hoe tsipìka nentin'Andriamanitra tao an'ady izy ireo. DH: "Ataoko miady amin'ny vahoakan'i Grisia ny vahoakan'i Joda"

namahana ny zana-tsipìkako tamin'ny Efraima

Ny vahoakan'Israely, ny fanjakana avaratra, dia tondroina toy ny hoe zana-tsipìka izay hitifiran'Andriamanitra ireo fahavalony. Ny famahanana dia kitapo izay hihazonana ireo tsipìkan'ny miaramila.

Efa nanaitra ireo zanakareo lahy Aho, ry Ziona, hanohitra ireo zanakareo lahy, ry Grisia

Miresaka amin'ny vahoaka izay avy amin'ny firenena roa samihafa indray miaraka Andriamanitra