plt_tn/zec/09/09.md

1.4 KiB

Mihobia amin'ny fifaliam-be, ry zanaka vavin'i Ziona! Mihobia am-pifaliana, ry zanaka vavin'i Jerosalema!

Ireo fehezanteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary manamafy ny didy ny mba hiobiana.

zanaka vavin'i Ziona...zanaka vavin'i Jerosalema

Ny "Ziona" dia mitovy amin'ny "Jerosalema" ihany. Resahin'ny mpaminany toy ny hoe zanaka vavy ny tanàna. Jereo ny fomba nandikanao ny hoe "zanaka vavin'i Ziona" ao amin'ny 2:10.

eo amin'ny boriky, eo ambony zana-boriky

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manondro biby iray. Ny andianteny faharoa dia manazava fa io dia zanaka boriky. DH: "teo amin'ny zana-boriky."

ho foanako ny kalesy avy any Efraima

DH: "hosimbaiko ireo kalesy any Israely izay nampiasaina tamin'ny ady"

ny soavaly avy any Jerosalema

DH: "ireo soavaly fentina miady izay any Jerosalema"

ny tsipìka dia ho foanana amin'ny ady

Eto ny tsipìka dia manambara ireo fitaovam-piadiana rehetra nampiasaina tamin'ny ady. DH: " hosimbaina avokoa ireo fitaovam-piadiana amin'ny ady rehetra"

fa hilaza fiadanana amin'ireo firenena izy

Eto ny fanambarana fiadanana dia manambara ny fampihavanana. DH: "fa hitondra fihavanana amin'ireo firenena ny mpanjakanareo"

ny fanapahany dia ho avy amin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faravazan-tany!

"hanerana ny tany rehetra ny fanjakany!"