plt_tn/zec/05/08.md

719 B

Faharatsiana ity

Ilay vehivavy dia manambara ny faharatsiana. DH: "Faharatsiana no anarany"

ary ny rivotra dia teny amin'ny elatr'izy ireo

Io andianteny io dia manoritsoritra ny fomba nampiasan'ireo vehivavy ny elatr'izy ireo mba holanjain'ny rivotra ka hanidina.

nanana elatra tahaka ny elatry ny vano izy ireo

Nanana elatra izay niendrika toy ny elatry ny vano ireo vehivavy. Ny vano dia karazana vorona lava izay manana velaran'elatra 2 ka hatramin'ny 4 metatra.

teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra

Nasandratra tany an-danitra ilay harona. Lazaina hoe "teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra" izany mba hisarihina ny saina ho amin'izy ireo sy hanehoana fa misy hifandraisany amin'izy ireo ilay harona.