plt_tn/zec/04/06.md

1017 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ny anjely izay miresaka amin'i Zakaria dia manohy manazava ny fahitana.

Zerobabela

Io dia anaran-dehilahy.

Tsy amin-kery na amin'ny tanjaka

Ireo mety ho heviny dia 1) hoe ny teny hoe "hery" sy "tanjaka" dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry ny haben'ny herin'i Zerobabela, 2) hoe ny teny hoe "hery" dia manondro ny herin'ny miaramila ary ny teny hoe "tanjaka" dia manondro ny fahafahan'i Zerobabela ara-batana. DH: "Tsy amin'ny herinao manokana tokoa" na "Tsy amin'ny herin'ny miaramila na amin'ny tanjakao ihany."

Inona moa ianao, ry tendrombohitra lehibe?

Mametraka io fanontaniana io amin'ny tendrombohitra i Yaveh, mba hanondroana fa amin'ny alalan'ny Fanahin'i Yaveh, dia tsy hahery mba handresy an'i Zerobabela na dia ny tendrombohitra aza. DH: "Ry tendrombohitra lehibe, na dia ianao aza dia malemy oharina amin'i Zerobabela."

hitondra ny vato atao tendrony izy

Ny tendrom-bato dia izay vato apetraka farany rehefa manangan-javatra.