plt_tn/sng/08/07.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy miresaka amin'ny malalany ilay tovovavy.

Ireo rano manonja tsy mahavono ny afon'ny fitiavana

Mahery loatra ny fitiavana ka tahaka ny afo izay tena mahamay izay tsy azo vonoina na dia amin'ny ranomasina feno rano aza izany.

Ireo rano manonja

"Ranomasina" na "Rano be"

tsy mahavono

"manala izany" na "mamafa izany"

na ireo tondra-drano tsy mahafoaka azy

Tsy miova mandrakizay ny fitiavana ary tsy miova mandrakariva koa tahaka ny zavatra izay na dia ny tondra-drano mahery aza dia tsy mahavita manala izany.

tondra-drano

Ao Israely, ny ranon'orana dia mivarina ao amin'ireo lohasaha lalina sy tery. Izany dia mahatonga tondra-drano tena mahery ka afaka mamindra vato lehibe sy hazo. Na dia ankehitriny aza, dia mbola mandraoka tetezana tena mafy ireo tondra-drano matetika.

tsy mahafoaka azy

"manala izany" na "mamafa izany"

Raha misy olona... dia atao tsinontsinona tokoa izany tolotra izany

"Na dia misy olona...dia atao tsinontsinona tokoa izy."

ny fananany rehetra ao an-tranony

"ny rehetra ananany"

ho amidy fitiavana

"mba hahazoana fitiavana" na "mba hividianana fitiavana"

dia atao tsinontsinona tokoa izany tolotra izany

"hanao tsinontsinona azy tanteraka ny olona" na "haneso azy mafy ny olona"