plt_tn/sng/04/02.md

1.0 KiB

Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy vao naratana

Rehefa avy notapahina ny volon'ireo ondry, dia sasaina ireo ka toy ny fotsy be ny hoditr'ireo. Io andianteny io dia mampitaha ny hafotsin'ny nifin'ilay vehivavy amin'ny hazavan'ny hafotsian'ny volon'ondry rehefa avy netezana ny volony.

ondrivavy vao naratana

DH: "andian'ondrivavy izay notapahin'ny olona ny volony."

miakatra avy any amin'ny toerana fandroana

Io dia midika fa miakatra mivoaka avy ao amin'ny rano ireo ondrivavy. DH: "izay miakatra mivoaka avy ao amin'ny rano rehefa avy nosasain'ny olona ireo."

Samy kambana avy ireo

Matetika ny ondry dia miteraka zanak'ondry roa indray mandeha. Ireo zanak'ondry kambana ireo matetika dia mitovy. Ny nifin'ilay vehivavy tsirairay dia misy nify iray mifanandrify amin'ny ilan'ny vavany. Koa toy ny hoe misy kambana tahaka ny zanak'ondry ny nify tsirairay.

tsy misy banga

Tsy misy tsy manana nify mifanandrify aminy amin'ny ilany ireo nify. Tsy mbola nisy nify niala tamin-dravehivavy.

banga

Very ny tiana izay maty.