plt_tn/rut/03/01.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown

# razofam-bavy
Naomi no renin'ny vadin'i Rota maty.
# Ry zanako vavy
Rota dia lasa zanaka vavin'i Naomy rehefa nanambady ny zanany lahy ary tamin'ny alàlan'ny zavatra nataony tamin'ny fikarakarana an'i Naomy taorian'ny niverenany tany Betlehema.
# tsy tokony hitady toerana ho anao ve aho?
Naomy dia nampiasa io fanontaniana io mba hilazana amin'i Rota izay heveriny ho atao. DH: "Tsy maintsy hitady toerana ho anao aho!" na "Tsy maintsy hitady vady hikarakara anao aho!"
# toerana mba hitsaharanao
Ny mety ho dikany dia izao 1) mitady trano ara-bakiteny mba hipetrahany na 2) amin'ny heviny hafa dia fitadiavana vady mba hikarakara azy. Mety nanana ireo heviny roa ireo tao an-tsaina i Naomy.
# mpiasa vavy izay niarahanao
"mpiasa vavy izay niarahanao niasa"
# tsy havantsika ve izy?
Naomy dia mety nampiasa io fanontaniana io mba hampatsiahivana an'i Rota ny zavatra efa nolazainy taminy. DH: "havantsika izy."
# Indro
Io teny io dia manondro fa manan-danja tokoa ity fanambarana manaraka ity.
# hikororoka
Ny hoe mikororoka dia midika hoe manasaraka ny voam-bary tsy ilaina amin'ny alàlan'ny fanipazana ny voam-bary sy ny akofa amin'ny rivotra, ka mamela ny rivotra mitsoka ny akofa