plt_tn/rut/02/19.md

1.3 KiB

Taiza ianao no nitsimpona androany? Taiza ianao no nandeha niasa?

Toy izany ihany koa no nolazain'i Naomy tamin'ny fomba roa samy hafa mba hanehoana fa izy dia liana tanteraka ny amin'izay nahazo an'i Rota tamin'io andro io.

Ho tahian'i Yaveh izy

Naomy dia nangataka tamin'Andriamanitra mba hamaly soa an'i Boaza noho ny hatsaram-panahiny tamin'i Rota sy ny tenany.

ilay tsy nahafoy ny fahitsiany

"izay tsy mivadika." Ny mety ho dikany dia 1) Boaza dia nahatsiaro ny adidiny amin'i Naomy amin'ny maha mpikambana anatin'ny fianakaviana na 2) Naomy dia manondro an'i Yaveh, izay niasa tao amin'ny alalan'i Boaza na 3) Mbola tsy nivadika tamin'ny velona sy ny maty Yaveh.

tamin'ny velona

"amin'izay olona mbola velona." Naomy sy Rota no "velona."

ny maty

"amin'izay olona efa maty. "Ny vadin'i Naomy sy ireo zanany no "maty."

havantsika akaiky, anankiray amin'ny havana mpanavotra antsika

mpanavotra- ny andian-teny faharoa dia mamerina sy manamafy ny voalohany.

havana mpanavotra

-havana-mpanavotra dia lehilahy havana akaiky izay afaka manavotra ny vehivavy maty vady amin'ny fahantrana ara-bola amin'ny fanambadiana azy sy ny fiterahana aminy. Hamerina ny tany very koa izy noho ny fahantrana ary hanavotra ny fianakavian'izy ireo izay nivarotra ny tenany ho andevo.