plt_tn/rut/01/19.md

1.2 KiB

Izao no nitranga

"Tonga izany." Izany dia manamarika ny fanombohan'ny tantara vaovao.

ny tao an-tanàna manontolo

"ny olona rehetra ao an-tanàna"

Naomy ve ity?

Koa satria taona maro no niainan'i Naomy tao Betlehema ary tsy manana ny vadiny sy ny zanany roa lahy intsony, dia azo inoana fa nanambara ny fisalasalana ireo vehivavy raha toa ka i Naomy tokoa io vehivavy io.

Aza antsoina hoe Naomy aho

Ny anarana hoe "Naomy" dia midika hoe "ny firavoravoako." Koa satria namoy ny vady aman-janany i Naomy , dia tsy mahatsapa intsony ny fifandraisan'ny fiainany amin'ny anarany izy.

Mara

Izany dia fandikana ny dikan'ny anarana. Matetika koa izy io dia nadika arakaraka ny feony hoe "Mara."

Nivoaka feno aho, nefa Yaveh nitondra ahy niverina tamin'ny tanam-polo tao an-trano

Rehefa nandao an'i Betlehema i Naomy, dia mbola velona ny vadiny sy ny zanany roa lahy, ka dia faly izy. Naomy dia nanome tsiny an'Andriamanitra ny amin'ny fahafatesan'ny vady aman-janany, ka nilaza fa izy dia nandefa azy hiverina any Betlehema tsy misy azy ireo, ary ankehitriny izy dia malaelo ary tsy faly.

nanameloka ahy

"nitsara ahy ho meloka"

nampahory ahy

"nahatonga loza tamiko"