plt_tn/rom/15/17.md

1.1 KiB

Noho izany ny hafaliako dia ao amin'i Kristy Jesosy sy ireo zavatr'Andriamanitra

Eto ny teny hoe "ireo zavatr'Andrimanitra" dia mety ilazana ireo asa izay nosafidian'Andriamanitra ho ataon'i Paoly. DH: "Noho izany dia manana antony hifaliana ao amin'i Kristy Jesosy sy ao amin'ny asa izay nomen'Andriamanitra ho ataoko aho"

Fa tsy ho sahy hiresaka na inona na inona ... Ireo zavatra ireo dia vita tamin'ny teny sy asa, tamin'ny herin'ireo famantarana sy fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina

Eto ny teny hoe "ireo zavatra ireo" dia ilazana ireo zavatra izay tanterak'i Kristy tamin'ny alalan'i Paoly. DH: "Noho ny fankatoavan'ny Jentilisa, dia hiresaka momba ireo zavatra tanterak'i Kristy tamin'ny alalako tao amin'ny teniko sy ny asako ary tamin'ny alalan'ireo herin'ny famantarana sy fahagagana tamin'ny herin'ny Fanahy Masina aho"

famantarana sy fahagagana

Ireo teny ireo dia mitovitovy hevitra ary entina ilazana ireo karazana fahagagana maro samihafa.

avy any Jerosalema, sy lavidavitra tahaka an'Ilyrikioma

Avy any amin'ny tanànan'i Jerosalema any amin'ny faritanin'i ilyrikioma, faritra akaikin'ny Italia izany.