plt_tn/rom/15/03.md

1.2 KiB

izany dia araky ny efa voasoratra

Eto Paoly milaza ny soratra masina eo izay firesahan'i Kristy (Mesia) an'Andriamanitra. Afaka adika hoe. DH: "ny Mesia nilaza an'Andriamanitra tao amin'ny soratra masina"

Ny faniratsiran'ireo izay maniratsira anao dia mianjera amiko

Eto i Paoly dia manambara ny tenin'ny Soratra Masina iray izay iresahan'i Kristy (ilay Maesia) amin'Andriamanitra. DH: "Ny faniratsiran'ireo izay maniratsira an'Andriamanitra dia nianjera teo amin'ny Kristy.''

Fa na inona na inona voasoratra teo aloha dia voasoratra ho fampianarana antsika

Afaka adika hoe DH: "Tamin'ny andro taloha, dia nanoratra ireo zava-drehetra ao amin'ny Soratra masina mba hampianarana antsika ireo mpaminany" "isika": Ampidirin'i Paoly ao anatin'izany ireo mpamaky sy ireo mpino hafa.

mba amin'ny alalan'ny faharetana sy amin'ny alalan'ny fampaherezan' ny Soratra Masina no hananantsika toky.

Eto ny teny hoe "hananantsika toky" dia midika fa ireo mpino dia hahalala fa Andriamanitra dia mahatoky amin'ny fampanantenany. Afaka hazavaina feno amin'ny fandikan-teninao izany. DH: "amin'izany dia hampahery antsika ny soratra masina mba hanantena fa Andriamanitra dia hanao ireo zava-drehetra izay nampanantenainy ho antsika''