plt_tn/rom/14/05.md

1.0 KiB

Ny olona iray dia mihevitra fa misy ny andro tsara nohon'ny rehetra. Ny hafa kosa dia mihevitra fa mitovy ny andro rehetra

''Misy olona iray mieritreritra fa ny andro iray dia tena manan-danja kokoa noho ny hafa rehetra, fa ny olona sasany kosa mieritreritra fa ny andro rehetra dia mitovy avokoa"

Avelao ny tsirairay ho resy lahatra araka ny sainy avy manokana

Afaka hazavainao ny hevitra fenon'izany. Afaka adika hoe DH: "Aoka ny olona tsirairay hahazo antoka fa ho fanomezam-boninahitra ny Tompo izay ataony"

Izay mandinika ny andro, dia mandinika izany ho an'ny Tompo

Eto ny teny hoe "mandinika" dia ilazana ny fivavahana. DH: "Ny olona izay mivavaka amin'ny andro iray dia manao izany ho fanomezam-boninahitra ny Tompo"

ary izay mihinana, dia mihinana ho an'ny Tompo

DH: "Ny olona izay mihinana ny karazan-tsakafo rehetra dia manao izany ho fanomezam-boninahitra ny Tompo"

Izay tsy mihinana, dia mifady hanina ho an'ny Tompo

DH: "Ny olona izay tsy mihinana ny karazan-tsakafo sasany dia manao izany ho fanomezam-boninahitra ny Tompo"