plt_tn/rom/13/13.md

1.1 KiB

Andao

Ataon'i Paoly tafiditra ao amin'izany miaraka aminy ireo mpamaky sy ireo mpino hafa.

Andao hizotra amin'ny lalana mahitsy, tahaka ny amin'ny andro

Resahin'i Paoly toy ny hoe olona iray izay mandeha amin'ny atoandro ny fiainana amin'ny maha-mpino marina. DH: "Andao andeha amin'ny lalana tazana amin'ny fahafantarana mahitaantsika rehetra ny olona"

amin'ny fahavetavetana na amin'ny filàna tsy voafehy,

Ireo teny ireo dia mitovy hevitra ihany. Afaka atambatrao ao amin'ny fandikan-teninao ireo. DH: "asa vetaveta"

fifanoherana

Izany dia ilazana ny teti-dratsy na fifandirana amin'ny olona hafa.

fialonana

Ilazana ny fihetseham-po ratsy manoloana ny fahombiazan'ny hafa na ny tombotsoan'ny hafa izany.

mitafia an'i Tompo Jesosy Kristy

Resahin'i Paoly toy ny hoe akonjo ivelantsika izay hitan'ny olona ny fanekena ny toetra voajanaharin'i Kristy.

ary aza mitahiry filàna ho an'ny nofo

Eto ny teny hoe "nofo" dia maneho ny toetran'ireo olona izay hoentin'ny lohan'izy ireo manohitra an'Andriamanitra. Izany no toetra maha-mpanota ny olombelona. DH: "'aza avela hanana irika mihitsy ny fo rastinareo taloha mba hanao zavatra ratsy"