plt_tn/rom/12/03.md

933 B

nohon'ny fahasoavana izay nomena ahy

Eto ny teny hoe "fahasoavana" dia ilazana ny fifidianan'Andriamanitra an'i Paoly mba ho apostoly sy mpitarika ny fiangonana. Afaka hazavaina izany ao amin'ny fandikan-teninao. Afaka adika ihany koa hoe DH: "satria Andriamanitra nifidy maimaimpoana ahy ho apostoly"

tsy tokony hananan'ny rehetra eo aminareo eritreritra hanambony ny tenany mihoatra izay tokony ho eritreretiny

"fa tsy misy olona eo aminareo tokony hievi-tena ho tsara noho ny olona hafa"

Fa kosa, tokony hieritreritra am-pahendrena izy ireo

"Fa tokony ho hendry ianareo ny amin'ny fiheveranareo momba ny tenanareo"

tahaka ny nanomezan' Andriamanitra fatram-pinoana ny tsirairay avy.

Paoly dia mandroso hevitra eto fa ireo mpino dia manana fahaiza-manao izay mifanaraka amin'ny finoan'izy ireo an'Andriamanitra. DH: "satria nomen'Andriamanitra fahaiza-manao samihafa ny tsirairay aminareo noho ny fatokianareo Azy"