plt_tn/rom/11/26.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Paoly dia miteny fa hisy mpanafaka ho tonga avy ao amin'Israely ho voninahitr'Andriamanitra.
# Noho izany dia ho vonjena avokoa ny Isiraely rehetra
Eto Paoly dia miteny amin'ny amin'ny fomba filazana amin'ny ankapobeny. Tsy milaza akory izy fa ny olona rehetra ao Israely dia hovonjena. Afaka adika hoe DH: "Noho izany Andriamanitra hamonjy ny maro ao Israely"
# araka ny voasoratra hoe
Afaka adika hoe DH: "araka izay voarakitry ny soratra masina"
# Hivoaka avy any Ziona
Eto ny hoe "Ziona" dia nampiasaina ilazana fitoerana izay hitoeran'Andriamanitra. DH: "Avy eo amin'izay misy an'Andriamanitra eo amin'ireo Jiosy"
# ny mpanafaka
"ilay iray izay hanafaka ny olony"
# Hanala ny haratsiam-panahy ... Izy
Paoly dia miresaka ny haratsiam-panahy ho toy ny zavatra izay afaka esorin'ny olona, mety toy ny olona manala akanjo.
# amin'i Jakoba
Eto "Jakoba" dia nampiasaina ho mba ilazana an'i Isiraely. DH: "Avy amin'ny vahoaka Isiraely"
# hanaisotra ny fahotan'izy ireo Aho
Eto i Paoly dia miresaka momba ireo fahotana ho toy ny zavatra izay afaka esorin'ny olona. DH: "Hanaisotra ny vesatry ny fahotan'izy ireo Aho"