plt_tn/rom/11/23.md

1.4 KiB

raha tsy mitohy amin'ny tsy finoany izy ireo

Ny fehezanteny hoe "tsy mitohy amin'ny tsy finoany izy ireo" dia afaka adika hoe DH: "Raha manomboka mino an'Kristy ireo Jiosy"

dia averina hatambatra izy ireo

I Paoly dia miresaka momba ireo Jiosy ho toy ny rantsana izay afaka averina hatambatra eo amin'ny hazo indray raha manomboka mino an'i Jesosy. Afaka adika hoe DH: "Andriamanitra hamerina hanambatra azy ireo indray"

hatambatra

Izany dia fomba mahazatra hametrahana ny ratsan-kazo iray eo amin'ny hazo iray hafa mba hitomboan'izany rantsana izany eo amin'izany hazo izany.

Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva-dia ianareo, ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, dia ho betsaka mihoatra toy ny ahoana ireo jiosy, izay sampana voajanahary, hatambatra amin'ny hazon'olivan'izy ireo manokana?

Paoly dia manohy miresaka momba ireo mpino Jentilisa sy ireo Jiosy ho toy ny rantsana avy amin'ny hazo iray. Afaka adika hoe DH: "Fa raha Andriamanitra no manapaka anareo hiala amin'ny oliva-dia voajanahary, ary nanambatra anareo tamin'ny hazon'oliva tsara, dia akory ny hanamabrany ireo Jiosy, amin'ny hazo olivan'izy ireo?

rantsana

Miresaka ny amin'ireo Jiosy sy Jentilisa ho toy ny rantsana i Paoly. Ny "rantsana voajanahary" dia maneho ireo Jiosy, ary ny "rantsana natambatra" dia maneho ireo mpino Jentilisa.

izy ireo ... izy ireo

Ireo teny ireo dia manondro ny Jiosy avokoa.