plt_tn/rom/11/15.md

1.3 KiB

azy ireo

Manondro ireo Jiosy tsy mpino io.

izao tontolo izao

Eto ny teny hoe "izao tontolo izao" dia ilazana ireo olona izay monina eto amin'izao tontolo izao. DH: "ny olona eto amin'izao tontolo izao"

inona no handraisana azy ireo izany fa fiainana avy amin'ny fahafatesana?

Mametraka fanontaniana i Paoly mba ho fanamafisana. Afaka adika hoe DH: "ahoana no handraisan'Andriamanitra azy ireo rehefa mino an'i Kristy izy ireo? Izany dia toy ny hoe nitsangan-ko velona indray izy ireo!"

Raha voatokana ny vokatra voalohany, dia ny ampahany amin'ny kobam-bary koa

Miresaka momba an'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba, ireo razan'ny Isiraely, ho toy ny "voaloham-bokatra" ho jinjana i Paoly. Izy ihany koa dia miresaka momba ny Isiraelita izay taranak'ireo lehilahy ireo ho toy ny "ampahany amin'ny kobam-bary" izay nataon'izy ireo avy amin'ny voa.

Raha voatokana ny fakany, dia toy izany ihany koa ireo rantsany.

Miresaka momba an'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba, ireo razan'ny Isiraely, ho toy ny "fakan-kazo" i Paoly, ireo ary ireo Isiraelita izay taranaky ireo lehilahy ireo, ho toy ireo ''rantsan-kazo"

voatokana

Nanokana ny voaloham-bokatra izay nojinjain'izy ireo ho an'Andriamanitra foana ny olona. Eto ny teny hoe "voaloham-bokatra" dia maneho ny olona voalohany mino an'i Kristy.