plt_tn/rom/11/11.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Noho Israely izay firenena nandà an'Andriamanitra, dia mampitandrina ireo Jentilisa i Paoly mba tsy hamerina ny fahadisoana toy izany.

Moa ve tafintohina ireo mba ho lavo?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Paoly mba ho fanamafisana. DH: "Nandà azy ireo mandrakizay ve Andriamanitra satria dia nanota izy ireo?"

Sanatria anie izany

"Tsy hisy anie izany!" na "Tsia velively!" Izany fomba fiteny dia mandà tanteraka fa tsy hisy izany.

Ho ataoko saropiaro

Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 10:19 io.

raha ny fahalavoan'izy ireo no haren'izao tontolo izao, ary raha ny fahaverezan'izy ireo no haren'ireo jentilisa

Ireo fehezanteny roa ireo dia manana mitovy hevitra ihany. Raha ilaina, dia afaka adika hoe DH: "rehefa lavo ara-panahy ireo Jiosy, dia nitahy ireo tsy Jiosy tamin'ny fitahiam-be Andriamanitra ho vokatr'izany"

haren'ireo jentilisa

Satria nandà an'i Kristy ireo Jiosy, dia nitahy ireo Jentilisa tamin'ny harem-pitahiana Andriamanitra tamin'ny fanomezana azy ireo ny tombony handray an'i Kristy.

izao tontolo izao

Eto ny teny hoe "izao tontolo izao" dia teny maneho ny olona izay monina eto amin'izao tontolo izao, indrindra ireo Jentilisa.