plt_tn/rom/10/18.md

1.0 KiB

Fa hoy aho hoe: "Moa ve tsy nisy nandre izy ireo?" Eny, tena marina

Mampiasa fanontaniana i Paoly mba ho fanamafisana. Afaka adika ho teny tsotra izany. DH: "Fa, milaza aho fa ny Jiosy dia azo antoka fa nahare ny hafatra momba an'i Kristy"

Ny feon'izy ireo dia efa nivoaka maneran-tany, ary ny tenin'izy ireo hatrany amin'ny faran'ny tany."

Mitovy hevitra ihany ireo teny anankiroa ireo ary ampiasain'i Paoly ireo mba ho fanamafisana. Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ny masoandro, volana, ary kintana. Eto ireo dia nofaritana ho toy ny olona mpitondra hafatra izay manambara amin'ny hafa ny momba an'Andriamanitra. Izany dia maneho fa ny fisian'ireo dia mampiseho ny herin'Andriamanitra sy ny voninahiny. Afaka hazavaina fa Paoly dia milaza ny teny avy ao amin'ny Soratra masina eto. DH: "Araka ny voarakitry ny Soratra Masina, ny masoandro, volana, ary ireo kintana dia porofon'ny herin'Andriamanitra sy ny voninahiny, ary ny olona rehetra eto amin'izao tontolo izao mahita azy ireo ary mahafantatra ny marina momba an'Andriamanitra"