plt_tn/rom/10/14.md

1.5 KiB

Ahoana ary no ahafahan'izy ireo miantso Azy tsy izay ninoany?

Mampiasa fanontaniana i Paoly mba ho fanindriana ny lanjan'ny fitondrana ny vaovao mahafalin'i Kristy ho an'ireo izay tsy nahare. Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo izay mbola tsy an'Andriamanitra. DH: "Ireo izay tsy mino an'Andriamanitra dia tsy afaka miantso Azy"

Ahoana no ahafahan'izy ireo mino Azy izay tsy ren'izy ireo?

Mampiasa fanontaniana iray hafa i Paoly noho'ny antony iray ihany. DH: "Ary izy ireo dia tsy afaka ny hino Azy raha tsy mandre ny hafatra" na ''Ary izy ireo dia tsy afaka ny hino Azy raha tsy maheno ny hafatra momba Azy"

mino

Eto izany dia midika hoe manaiky fa marina izay lazain'izany olona izany.

Ahoana no ahafahan'izy ireo mandre raha tsy misy mpitory?

Mampiasa fanontaniana iray hafa i Paoly nohon'ny antony mitovy amin'izany ihany. DH: "Ary izy ireo dia tsy afaka mahare ny hafatra raha tsy misy olona milaza amin'izy ireo"

Ary ahoana no afahan'izy ireo mitory, raha tsy nisy naniraka?

Mampiasa fanontaniana iray hafa i Paoly nohon'ny antony mitovy amin'izany ihany. Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo olona izay an'Andriamanitra. DH: "Ary izy ireo dia tsy afaka miteny ny olona hafa ny hafatra rafa tsy misy olona mandefa azy ireo"

Endrey ny hatsaran'ny tongotr'ilay manambara ireo zavatra tsaran'ny filazantsara

Mampiasa ny hoe "tongotra" mba hanehoana ireo izay mandeha ary mitondra ny hafatra ho an'ireo izay mbola tsy nahare izany. DH: "Mahafinaritra tokoa raha ny mpitondra hafatra no tonga ary milaza aminay ny vaovao mahafaly!"