plt_tn/rom/09/32.md

985 B

Nahoana moa?

Paoly dia mametraka izany fanontaniana mba hisintonana ny sain'ny mpamaky. DH: "Nahoana izy ireo no tsy ahatratra ny fahamarinana?"

tamin'ny asa

Maneho ireo zavatra izay ataon'ny olona mba hilana sitraka amin'Andriamanitra io. DH: "amin'ny fiezahana hanao zavatra izay mety hahafaly an'Andriamanitra" na "amin'ny fitandremana ny lalàna"

araka izay efa voasoratra

Afaka marihanao fa Isaia no nanoratra izany. Afaka adika hoe DH: "araka izay nosoratan'Isaia mpaminany"

ao Ziona

Ziona eto dia maneho an'Israely. DH: "ao Israely"

vaton'ny fanafintohinana sy vatolampin'ny fandikan-dalàna

Ireo teny ireo dia samy mitovy hevitra ary sarin-teny maneho an'i Jesosy sy ny fahafatesany teo amin'ny hazofijaliana. Toy ny hoe tafintohina tamin'ny vato ny olona satria rikoriko ny amin'ny fieritreretana ny fahafatesan'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana izy ireo.

mino izany

Satria entina ilazana olona iray ny vato, dia mety mila adikanao hoe "mino azy" io.