plt_tn/rom/09/14.md

817 B

Inona ary no ho lazaintsika?

Mampiasa fanontaniana i Paoly mba hisintonana ny sain'ireo mpamaky.

Tsy hisy mihitsy anie izany

"Tsy hisy izany!" na "Tsia dia tsia tokoa!" Io fomba fiteny io dia mandà mafy ny mety hitrangan'izany. Mety manana fomba fiteny mitovy amin'izany ianao ao amin'ny fiteninao izay azonao ampiasaina eto.

Fa hoy Izy tamin'i Mosesy

Miresaka momba ny firesahan'Andriamanitra amin'i Mosesy toy ny hoe natao amin'izao fotoana izaoi Paoly. DH: "Fa Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy"

dia tsy noho izy mikasa izany, na noho izy izay mihazakazaka

"Fa tsy noho izay tian'ny olona na nohon'ny fiezahan'izy ireo mafy"

na noho izy izay mihazakazaka

Resahin'i Paoly ho toy ny olona mihazakazaka mafy ny olona izay manao ireo zavatra tsara mba hahazahoany ny fankasitrahan'Andriamanitra.