plt_tn/rom/08/31.md

1018 B

Inona ary no tokony ho tenenintsika momba ireo zavatra ireo? Raha momba antsika Andriamanitra, iza no mahatohatra antsika?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Paoly ho fanamafisana ny hevitra izay lazainy. DH: "Izao no tokony ho fantatsika avy amin'izany rehetra izany: satria manampy antsika Andriamanitra, dia tsy misy afaka mahatohitra antsika"

Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy tokana

Andriamanitra Ray nandefa ny Zanak'Andriamanitra, Jesosy Kristy, teo amin'ny hazo fijaliana mba ho sorona masina, tsy misy fetra izay ilaina mba hahatanteraka ny toetra masin'Andriamanitra mandrakizay, izay manohitra ny fahotan'ny olombelona. Eto ny teny hoe "Zanaka" dia fiantsoana manan-danja an'Jesosy, ilay Zanak'Andriamanitra.

fa nanolotra Azy

"fa nanolotra azy ho an'ireo fahavalony"

ahoana no tsy hanomezany antsika maimaimpoana miaraka Aminy ny zava-drehetra ihany koa?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Paoly mba ho fanamafisana. DH: "Azo antoka fa hanome antsika maimaimpoana ny zavatra rehetra Izy!"