plt_tn/rom/08/03.md

1.4 KiB

Fa izay tsy afaka nataon'ny lalàna noho ny fahalemen'izany tamin'ny nofo, dia nataon' Andriamanitra

Eto ny lalàna dia voafaritra ho toy ny olona izay tsy afaka mamotika ny herin'ny fahotana. DH: "Fa ny lalàna dia tsy nanana hery hampitsahatra antsika amin'ny fahotana, satria mafy loatra ny herin'ny fahotana tao anatintsika. Fa tsy nisakana antsika tsy hanota Andriamanitra"

tamin'ny nofo

"Nohon'ny toetra maha-mpanota ny olona"

Nandefa ny Zanany lahy tokana Izy tamin'ny endriky ny nofo feno fahotana mba ho fanatitra ho an'ny ota, ary nanameloka ny ota

Nampitsahatra ny fahatezerana masin'Andriamanitra nohon'ny fahotantsika ny Zanak'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fanolorana ny tenany sy ny fiainany ara-nofo ho sorana ho an'ny fahotantsika mandrakizay.

Zanany lahy

Izany dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy, ilay zanak'Andriamanitra.

endriky ny nofo feno fahotana

"izay mitovy tahaka ny olombelona hafa feno fahotana"

mba ho fanatitra ho an'ny ota

"mba hahafatesany ho sorona ho an'ireo fahotantsika"

ary nanameloka ny ota tao amin'ny nofo izy

"ary Andriamanitra namotika ny herin'ny fahotana tamin'ny tenan'ny Zanany"

mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra takian'ny lalàna

Afaka adika hoe DH: "mba hanatanterahantsika izay takian'ny lalàna"

isika izay mandeha tsy araky ny nofo

"isika izay tsy mankatoa ny filan-dratsintsika"

fa araky ny Fanahy

"fa mankatoa ny Fanahy Masina"