plt_tn/rom/07/24.md

1.1 KiB

Iza no hanafaka ahy amin'ity tenan'ny fahafatesana ity?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Paoly mba hanehoana fihetseham-po lehibe. Raha manana fomba anehoana fihetseham-po lehibe amin'ny alalan'ny tsoraka na baraingo ny fiteninao dia hampiasao eto izany. DH: "Mila olona iray aho hanafaka ahy amin'ny fangejan'ny filan'ny vatako!"

ity tenan'ny fahafatesana ity

Io dia sarin-teny ilazana ny vatana izay hiaina izany fahafatesana izany.

Fa isaorana Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika

Ity no valin'ilay fanontaniana ao amin'ny 7:24.

Noho izany, izaho tenako dia manompo ny lalàn'Andriamanitra amin'ny saiko. Na dia izany aza, dia manompo ny fitsipikin'ny fahotana amin'ny nofo aho.

Ny fisainana sy ny nofo eto dia ampiasaina hanehoana ny fomba fampitahan'izy ireo ny fanompoana ny lalàn'Andriamanitra sy ny fanompoana ny fitsipiky ny fahotana. Amin'ny saina na eritreritra no ahafahan'ny olona iray mampifaly an'Andriamanitra sy mankatoa Azy, ary amin'ny nofo na ny toetra ara-nofo no ahafahany manompo ny fahotana. DH: "Ny saiko dia misafidy ny hampifaly an'Andriamanitra, nefa ny nofoko dia misafidy ny hankatoa ny fahotana"