plt_tn/rom/06/15.md

1.6 KiB

Ka inona ary? Tokony hanota ve isika satria tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Tsy hisy mihintsy anie izany

Mampiasa fanontaniana i Paoly mba hanindriana fa ny miaina ao ambanin'ny fahasoavana dia tsy irika hanotana. DH: "Na izany aza, satria isika dia voafatotry ny fahasoavana fa tsy ny lalàn'i Mosesy, dia tsy midika velively izany fa mahazo alalana ny hanota isika"

Tsy hisy mihitsy anie izany

"isika dia tsy maniry ny hitrangan'izany!" na "Andriamanitra anie hanampy ahy mba tsy hanao izany!" Izany fomba fiteny izany dia maneho faniriana mafy ny tsy hisian'izany. Mety manana fomba fiteny mitovy amin'izany ianao amin'ny fiteninao ary afaka ampiasanao izany eto. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 3:31.

Tsy fantatrareo ve fa ilay iray izay anoloranareo ny tenanareo ho mpanompo dia ilay iray izay ho hankatoavinareo, ilay hany tsy maintsy hankatoavinareo?

Mampiasa fanontaniana i Paoly mba hibedesana izay olona mihevitra fa ny fahasoavan'Andriamanitra irika hanotana hatrany. Afaka adika hoe DH: "Tokony ho fantatrareo fa ianareo dia andevon'ny tompo izay nosafidinareo ho ankatoavina!"

Marina izany na mpanompon'ny fahotana izay mitarika any amin'ny fahafatesana ianareo, na mpanompon'ny fankatoavana izay mitarika any amin'ny fahamarinana

Eto, i Paoly dia mamaritra ny "fahotana" sy "fankatoavana" ho toy ny tompo izay tompoin'ny andevo. DH: "Ianareo dia andevon'ny fahotana, izay miafara amin'ny fahafatesana ara-panahy, na andevon'ny fankatoavana ianareo, izay miafara amin'ny fanaovana ireo zavatra izay tian'Andriamanitra ataonareo"