plt_tn/rom/06/06.md

1.2 KiB

ny tenantsika taloha dia nofantsihana niaraka taminy

Ny teny hoe "ny tenantsika taloha" dia sarin-teny ilazana ilay olona talohan'ny ninoany an'i Jesosy. Faritan'i Paoly toy hoe maty teo amin'ny hazo fijaliana niaraka tamin'ny Jesosy ny tenantsika feno fahotana taloha, rehefa mino an'i Jesosy isika. Afaka adika hoe. DH: "ny fahotantsika dia maty teo amin'ny hazo fijaliana niaraka tamin'i Jesosy"

ny tenantsika taloha

Izany dia midika hoe ilay olona taloha, nefa dia tsy izy intsony ankehitriny.

tenan'ny ota

Io teny io dia ilazana ny ilay olona feno fahotana manontolo DH: "ny toetrantsika feno fahotana"

mba hamotehana

Afaka adika hoe DH: "mba ho faty"

tsy ho andevozin'ny ota intsony isika

Mampitaha ny herin'ny fahotana eo amin'ny olona amin'ny tompo izay mifehy ny andevo i Paoly. Ny olona tsy misy Fanahy Masina dia olona tsy afaka manao izay mahafaly an'Andriamanitra. Afaka adika hoe DH: "tsy tokony hisafidy hanao izay ota intsony isika"

Izy izay maty dia nambara fa marina sady afaka amin'ny fahotana.

Eto ny teny hoe "marina" dia ilazana ny fahafahan'Andriamanitra manamarina ny olona ao aminy. Afaka adika hoe DH: "Rehefa manambara ny olona ho marina ao aminy Andriamanitra, dia tsy ho fehezin'ny ota intsony izany olona izany"