plt_tn/rom/06/01.md

1.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ambany fahasoavana, Paoly dia miteny amin'ireo izay mino an'i Jesosy mba hiaina fiainana vaovao, toy ny maty tamin'ny fahotana ary velona ho an'Andriamanitra.

Inona ary no ho lazaintsika? Tokony hanohy amin'ny fahotana ve isika mba hitomboan'ny fahasoavana?

Mametraka ireo fanontaniana fampisainana ireo i Paoly mba hisarihana ny sain'ny mpamaky. DH: "Noho izany, inona ary no tokony ho lazaintsika momba izany rehetra izany? Tsy tokony hanohy ny fahotana mihitsy isika mba hanomezan'Andriamanitra fahasoavana miamby ampy antsika!"

lazaintsika

Ny mpisolo-tena "isika" dia manondro an'i Paoly, ny mpamaky, ary ny olona hafa.

Isika izay maty ny amin'ny ota, amin'ny fomba ahoana moa no mbola hiainantsika amin'izany ihany?

Eto ny teny hoe "maty tamin'ny ota" dia midika fa ireo izay manaraka an'i Jesosy dia toy ny olona maty izay tsy mety voakasiky ny fahotana. Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Paoly mba ho fanamafisana. DH: "Ankehitriny isika dia toy ny olona maty izay tsy voakasiky ny fahotana! Koa tsy tokony hanohy ny fahotana velively isika!"

Tsy fantatrareo ve fa ireo rehetra natao batisa tao amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa tao amin'ny fahafatesany?

Mampiasa io fanontaniana io i Paoly mba ho fanamafisana. DH: "Tadidio, rehefa nisy olona nanao batisa antsika mba hampisehoana fa manana fifandraisana amin'i Kristy isika, dia mampiseho ihany koa izany fa maty niaraka tamin'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana isika!