plt_tn/rom/05/20.md

1.5 KiB

Fa tonga tao amin'izany ny lalàna

Eto i Paoly dia miresaka momba ny lalàna toy ny hoe olona. DH: "Andriamanitra nanome ny lalàny ho an'i Mosesy"

mba ho lehibe ny fahadisoana

Resahin'i Paoly toy ny hoe velona ny "fahadisoana" na fahotana. DH: "mba ho tsapan'ny olona ny halehiben'ny ota nataon'izy ireo"

nialehibe

"nitombo"

vao maika nialehibe ny fahasoavana

Eto ny teny "fahasoavana" dia ilazana ny fitahian'Andriamanitra izay tsy mendrika antsika. DH: "Nanohy naneho hatsaram-panahy tamin'izy ireo hatrany, tamin'ny fomba izay tsy mendrika azy ireo Andriamanitra"

tahaka ny nanjakan'ny fahotana tamin'ny fahafatesana

Eto Paoly dia miresaka ny "fahotana" toy ny hoe mpanjaka izay manapaka. DH: "ny vokatry fahotana dia fahafatesana"

dia toy izany koa no hanjakan'ny fahasoavana amin'ny alalan'ny fahamarinana ho amin'ny fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

Resahin'i Paoly toy ny hoe mpanjaka izay manapaka ny "fahasoavana" eto. DH: "ny fahasoavana dia nanome fiainana maharitra mandrakizay tamin'ny alalan'ny fahamarinan'i Jesosy Kristy Tompontsika"

hanjakan'ny fahasoavana amin'ny alalan'ny fahamarinana

Resahin'i Paoly toy ny hoe mpanjaka izay manapaka ny "fahasoavana" eto. Ny teny hoe "fahamarinana" dia ilazana ny fahafahan'Andriamanitra manamarina ny olona eo aminy. DH: " mba hahafahan'Andriamanitra manome ny fanomezany maimaimpoana ho an'ireo olona mba hanamarinana azy ireo eo aminy"

Tompontsika

Ampidirin'i Paoly ao amin'izany ny tenany, sy ireo mpamaky, ary ireo mpino rehetra.