plt_tn/rom/05/16.md

1.5 KiB

Fa ny fanomezana dia tsy tahaka ny vokatra avy amin'ilay iray izay nanota

Eto ny teny hoe "fanomezana" dia ilazana ny famafan'Andriamanitra maimaimpoana rakitry ny otantsika. DH: "Ny fanomezana dia tsy tahaka ny vokatry ny fahotan'i Adama"

Fa amin'ny lafiny iray, tonga ny fitsarana ho fanamelohana nohon'ny fahadisoan'ny olona iray. Fa amin'ny lafiny iray hafa

Eto i Paoly dia manome antony roa ny amin'ny hoe "Ny fanomezana dia tsy tahaka ny vokatry ny fahotan'i Adama." Ny fehezanteny hoe "Fa amin'ny lafiny iray" sy "fa amin'ny lafiny iray hafa" dia mampiditra ny fomba roa samihafa iheverana zavatra. Ny teny hoe "fitsarana ho fanamelohana" dia manambara fa isika rehetra dia mendrika ny sazin'Andriamanitra noho ireo fahotantsika. DH: "Satria etsy andaniny, Andriamanitra dia manambara fa ny olona rehetra dia mendrika ny ho faizina noho ny fahotan'ny olona iray, nefa etsy ankilany kosa"

ny fanomezana maimaimpoana dia miafara amin'ny fanamarinana

Izany dia maneho ny fomba hanamarinan'Andriamanitra antsika ao aminy na dia tsy mendrika izany aza isika. DH: "Ny fanomezam-pahasoavan'Andriamanitra amin'ny fanamarinana antsika eo aminy''

taorian'ny fahadisoana maro

"taorian'ny fahotan'ny maro"

fahadisoan'ny iray

Io dia maneho ny fahotan'i Adama.

hanjakan'ny fahafatesana

Eto i Paoly dia miresaka momba ny "fahafatesana" toy ny hoe mpanjaka izay nanapaka. Ny "fitsipiky" ny fahafatesana no mahatonga ny olon-drehetra ho faty. DH: "maty ny olona rehetra"

fiainan'ilay iray

Izany dia maneho fiainan'i Jesosy Kristy.