plt_tn/rom/05/12.md

1.1 KiB

Fampifandraisana foto-kevitra:

Paoly eto dia manazava hoe nahoana ny fahafatesana no nitranga na dia talohan'ny nanomezan'Andriamanitra ny lalàn'i Mosesy aza.

tamin'ny alalan'ny olona iray tamin'izao tontolo izao, dia toy izany koa no nidiran'ny fahafatesana tamin'ny alalan'ny ota

I Paoly eto dia mamaritra ny ota toy ny hoe zava-doza izay tonga teo amin'izao tontolo izao tamin'ny alalan'ny asan'ny "olona iray," Adama. Izany ota izany avy eo no nanjary lalana misokatra izay, nidiran'ny fahafatesana, izay atao toy ny hoe zava-doza iray hafa, teto amin'izao tontolo izao ihany koa.

Nandra-pisian'ny lalàna, dia teto amin'izao tontolo izao ny ota

Izany dia midika fa ny olona dia nanota talohan'ny nanomezan'Andriamanitra ny lalàna. DH: "Efa nanota ny olona teto amin'izao tontolo izao talohan'ny nanomezan'Andriamanitra ny lalàny tamin'i Mosesy"

fa tsy misy fanisan-keloka rehefa tsy misy lalàna

Izany dia midika fa Andriamanitra dia tsy miampanga ny olona tamin'ny fahotana talohan'ny nanomezany ny lalàna. DH: "Fa Andriamanitra dia tsy mitahiry fahotana manohitra ny lalàna tahohan'ny nanomezany ny lalàna"