plt_tn/rom/03/07.md

1.0 KiB

Fa raha toa ny fahamarinan'Andriamanitra ka manome fiderana betsaka ho Azy amin'ny alalan'ny laingako, dia nahoana ary aho no mbola tsaraina ho mpanota?

Eto Paoly dia manohy maka sary an-tsaina olona iray izay mandà ny filazantsara Kristiana hatrany. Miady hevitra izany mpifanandrina izany fa, satria ny fahotany dia mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, dia tsy tokony hanambara Andriamanitra fa mpanota izy amin'ny andron'ny fitsarana raha, ohatra hoe, milaza lainga izy.

Fa nahoana no tsy miteny ... hiavian'ny "?

Eto Paoly dia mametraka fanontaniana, mba hampisehoana maha tsy misy fotony ny fandresen-dahatr'izany mpifanandrina tsy hita maso izany. DH: "Mety hiteny ihany koa aho ... hiaviany!"

araka ny tatitra diso izay lazaina fa notenenintsika

''Ny sasany dia mandainga mba hilazana amin'ny hafa fa isika dia milaza hoe''

Rariny ny fitsarana atao amin'izy ireo

Rariny izany rehefa manameloka ireo fahavalon'i Paoly, ny amin'ny fitenenan'izy ireo lainga mahakasika ny fampianaran'i Paoly Andriamanitra.