plt_tn/rom/03/05.md

1.5 KiB

Fa raha toa ny tsy fahamarinantsika no maneho ny fahamarinan'Andriamanitra, inona no azontsika hambara?

Ity fanamarihana ity dia miseho amin'ny endrika fanontaniana mba ho fanamafisana. DH: "Fa misy olona sasany miady hevitra fa rehefa manao fahadisoana isika, dia hitan'ny olona mazava tsara ny fampiharan'Andriamanitra ny marina. Inona no azontsika ambara amin'izany?"

Andriamanitra dia tsy mba tsy marina rehefa mitondra ny fahatezerany izy, izy ve izany?

ity fanamarihana ity dia maneho fanontaniana fanamafisana. DH: "Tsy afaka ny hiteny isika fa Andriamanitra dia tsy marina rehefa manasazy ny olona izy" na "isika dia tsy maintsy miteny fa Andriamanitra dia marina, na rehefa manasazy ny olona aza izy"

ny hatezarany

Eto ny teny hoe "fahatezerana" dia teny milaza ny sazin'Andriamanitra.

Miresaka aho araka ny fomba fisainan'ny olona

Ny teny hoe "fomba fisainan'olombelona" eto dia ilazana ny fomba firesahan'ny olona mahazatra. DH: "Eto aho dia milaza izay mety ho lazain'ny olona amin'ny fiteny mahazatra"

Satria amin'ny fomba ahoana ary no hitsaran' Andriamanitra an'izao tontolo izao?

Paoly dia mampiasa ity fanontaniana ity mba hampisehoana fa ny fandresen-dahatra manohitra ny filazantsara dia tsy manan-kery, satria fantatr'ireo Jiosy fa Andriamanitra dia hitsara ny olona rehetra. DH: "Fantatsika rehetra fa Andriamanitra dia hitsara izao tontolo izao tokoa!"

izao tontolo izao

Ny teny hoe "izao tontolo izao" dia milaza ny olona izay monina eto amin'izao tontolo izao"