plt_tn/rom/03/03.md

1.4 KiB

Fa ahoana raha tsy nanam-pinoana ireo Jiosy sasany? Ny tsy finoan'izy ireo ve no hahantonga ny fahatokin'Andriamanitra tsy ho tanteraka?

Mampiasa ireo fanontaniana ireo i Paoly mba hampisainana ny olona. DH: "Ny Jiosy sasany tsy nahatoky an'Andriamanitra. Tokony raisintsika avy amin'izany ve fa tsy hanatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra?"

Tsy hisy mihitsy anie izany

Izany fomba fiteny izany dia mandà tanteraka ny mety hitrangan'izany. Mety manana fomba fiteny ilazana azy amin'ny fiteninao izay afaka ampisanao eto ianao. "Sanatria" na "Tsia velively!"

Fa kosa

"Fa tokony hilaza kosa isika"

avelao ho hita fa marina Andriamanitra

Andriamanitra dia ho marina hatrany ary hitazona ireo fanekeny. DH: "Andriamanitra dia manantanteraka hatrany izay nampanantenainy"

na dia mpandainga aza ny olona tsirairay

Manao filaza masaka i Paoly eto mba hanindriana fa Andriamanitra dia marina amin'ireo fanekeny. DH: "na dia mpandainga aza ny olona rehetra"

Araka ny voasoratra

Afaka adika hoe DH: "Ny Soratra Masina mihitsy no miray hevitra amin'izay lazaiko"

Ho aseho amin'ny teninareo fa olo-marina ianareo, ary aseho rehefa tonga amin'ny fitsarana ianareo

Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy hevitra. Afaka adika hoe. DH: "Ny olona rehetra dia tsy maintsy miaiky fa izay lazainareo dia marina, ary handresy ny tranga hatrany ianareo rehefa misy miampanga anareo"