plt_tn/rom/02/25.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia manohy mampiseho fa Andriamanitra, amin'ny lalàny, dia manameloka na ireo Jiosy izay manana ny lalàn'Andriamanitra aza.

Fa mahazo tombony amin'ny famoràna tokoa ianareo

"Miteny izany rehetra izany aho satria ny famorana dia tombony ho anareo"

raha mandika ny lalàna ianareo

"raha tsy mankatoa ireo didy izay hita ao amin'ny lalàna ianareo"

dia tonga tsy voafora na dia efa voafora aza ianareo

"izany dia toy ny hoe tsy voafora intsony ianareo"

olona tsy voafora

"olona izay tsy voafora"

mitandrina izay takian'ny lalàna

"mankatoa izay andidian'Andriamanitra ao amin'ny lalàna"

tsy hatao ho isan'ny voafora va izy na dia tsy voafora aza? Ary tsy ho helohin'ilay iray izay tsy mifora ara-boajanahary va ianareo raha toa ka mitandrina ny lalàna izy?

Paoly dia mametraka fanontaniana roa eto ho fanamafisana fa ny famoràna dia tsy manamarina ny olona iray eo anatrehan'Andriamanitra. Afaka adika ihany koa izany hoe DH: "Andriamanitra dia handray azy ho toy ny voafora. Ilay iray izay voafora ara-nofo ... hitsara anao ... ny lalàna"