plt_tn/rom/02/17.md

2.2 KiB

fampifandraisana ny foto-kevitra:

Eto no manomboka ny firesahan'i Paoly fa lalàn'ny Jiosy dia manameloka azy ireo tokoa satria izy ireo dia tsy mankatoa izany.

Hevero fa Jiosy no hiantsoanao ny tenanao

Eto Paoly dia miresaka toy ny miresaka amin'ny olona iray. Izay marina amin'ny olona iray dia marina amin'ny olona rehetra. "Ankehitriny dia mihevitra ny tenanao ho isan'ireo olona Jiosy ianao"

miankina amin'ny lalàna, ary mifaly am-pireharehana ao amin'Andriamanitra

Ny fehezanteny hoe "miankina amin'ny lalàna" dia fomba fiteny. Miresaka momba ny fiankinana amin'ny lalàna toy ny hoe misy olona afaka miankina amin'izany mba hanohana azy tokoa i Paoly. DH: "ary miankina eo amin'ny lalàn'i Mosesy ianao ary mifaly am-pireharehana noho ny amin'Andriamanitra"

mahalala ny sitrapony

"ary fantatrao ny sitrpon'Andriamanitra"

nampianarina tamin'ny lalàna ianao

"satria nianatra izay nampianarin'ny lalàn'i Mosesy ianao"

Hevero fa Jiosy no hiantsoanao ny tenanao

Eto Paoly dia miresaka toy ny miresaka amin'ny olona iray. Izay marina amin'ny olona dia marina amin'ny olona rehetra. "Ankehitriny dia mihevitra ny tenanao toy ny isan'ny olona Jiosy ianao"

fa ny tenanao dia mpitarika ny jamba, fahazavana ho an'ireo izay ao amin'ny aizina,

Eto ny teny hoe "mpitarika ny jamba" sy "fahazavana" dia sarin-teny ilazana ny fomba hanampiana ny olona izay tsy afaka mahita. Ireo fehezanteny roa ireo dia manana hevitra mitovy. Amin'ny fampiasana azy ireo, Paoly dia mampitaha ny Jiosy iray izay mampianatra olona iray momba ny lalàna amin'ny fanampiana ireo olona izay tsy mahita. DH: "fa ny tenanao dia toy ny mpitarika ny olona izay jamba, ary ianao dia tahaka ny fahazavana ho an'ny olona izay very ao amin'ny aizina"

mpanitsy ny adala

"ianao dia manitsy ireo izay manao fahadisoana"

mpampianatra ny zazakely

Eto Paoly dia mapitaha ireo izay tsy mahalala na inona na inona momba ny lalàna amin'ny zazakely. DH: "ary ianao dia manitsy ireo izay tsy mahafantatra ny lalàna"

ary anananao ao amin'ny lalàna ny endriky ny fahalalana sy ny marina,

Ny fahalalana ny marina izay ao amin'ny lalàna dia avy amin'Andriamanitra. DH: "satria ianao dia resy lahatra fa takatrao ny marina izay nomen'Andriamanitra tao amin'ny lalàna"