plt_tn/rom/02/08.md

1.4 KiB

Fampifandraisana foto-kevitra:

Na dia miresaka amin'ny olona ratsy tsy mivavaka aza ity fizarana ity, dia fintinin'i Paoly amin'ny filazana fa rasty eo anatrehan'Andriamanitra na ireo tsy Jiosy na Ireo Jiosy izany.

mitady ho an'ny tenany

mitady - "tia-tena" na "miahy ny amin'izay mampifaly ny tenan'izy ireo ihany"

tsy mankatoa ny marina fa mankatoa ny tsy fahamarinana

Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovitovy hevitra ihany. Ny faharoa dia manamafy kokoa ny voalohany.

ho avy ny hatezerana sy havinirina.

Ny teny hoe "fahatezerana" sy "fahasikana" midika zavatra iray ihany ary manamafy fahatezeran'Andriamanitra. DH: "Andriamanitra hampiseho ny fahatezerany lehibe"

Fahatezerana

Eto ny teny hoe "fahatezerana" dia sarin-teny maneho ny sazy mafin'Andriamanitra ho an'ny olona ratsy.

fahoriana sy fahantrana amin'ny

Ny teny hoe "fahoriana" sy "fahantrana" mitovitovy hevitra ihany iary manamafy ny haratsin'ny sazin'Andriamanitra. DH: "sazy mahatsiravina no hanjoa"

amin'ny fanahin'ny olona rehetra

Eto, Paoly dia mampiasa ny teny hoe "fanahy" mba hilazana ilay olona manontolo. DH: "eo amin'ny olona rehetra"

izay nanao ratsy

"tsy nitsahatra nanao ireo zavatra ratsy"

ho an Jiosy aloha, dia ho an'ny Grika ihany koa.

Andriamanitra dia hitsara ireo olona Jiosy aloha, ary avy eo ireo izay tsy Jiosy"

aloha

Ireo mety ho heviny dia 1) "voalohany araka ny fotoana" na 2) "tsy maintsy"