plt_tn/rom/01/08.md

1.2 KiB

izao tontolo izao

Io dia filaza masaka ilazana ny izao tontolo izao izay fantatr'izy ireo, izay midika ihany koa hoe Fanjakana Romana

Fa Andriamanitra no vavolombeloko

Paoly dia manamafy fa izy dia mivavaka fatratra ho azy ireo ary nahita azy nivavaka Andriamanitra. Ny teny hoe "fa" matetika dia tsy adika.

Ao amin'ny fanahiko

Ny fanahin'ny olona dia ampahany aminy izay afaka mahafantatra an'Andriamanitra ary mino azy.

filanzatsaran'ny Zanany

Ny vaovao mahafalin' ny Baiboly (filazantsara) dia izay nanoloran'ny zanak'Andriamanitra ny tenany ho Mpamonjin'izao tontolo izao.

Zanaka lahy

Izany dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy, ilay Zanak'Andriamanitra.

Miresaka anareo Aminy Aho

''Miresaka momba anareo amin'Andriamanitra aho''

Mangataka foana Aho amin'ny vavaka ataoko ny mba hahombiazako amin'ny fomba rehetra ... ho tonga aminareo.

"Isaky ny mivavaka aho, dia mangataka amin'Andriamanitra aho mba ... mba hahomby ... amin'ny fahatongavana hamangy anareo"

Amin'ny fomba rehetra

"Amin'ny fomba rehetra izay hamelàn'Andriamanitra"

Ary farany

"Amin'ny farany" na "farany"

araka ny sitrapon'Andriamanitra

''Satria maniry izany Andriamanitra"