plt_tn/rev/21/05.md

1.2 KiB

ireto teny ireto dia mahatoky sy marina

Eto ny "teny" dia maneho ny hafatra izay nambaran'izy ireo. DH: "io hafatra io dia mahatoky sy marina"

Alfa sy Omega, ilay fiandohana sy fiafarana

Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy dika ary manamafy ny maha-izy Azy an'Andriamanitra mandrakizay.

Alfa sy Omega

Ireo no voalohany sy farany amin'ny abidian'ny Grika. Ny mety ho dikany hafa 1) "ilay iray izay manomboka ny zavatra rehetra sy mamarana ny zavatra rehetra" na 2) "ilay iray izay velona hatramin'izay sy ilay velona mandrakizay" . Afaka atao ihany koa hoe: "ny A sy ny Z" na "ny voalohany sy ny farany." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 1:7.

ilay fiandohana sy fiafarana

Ireo mety ho dikany: 1) "ilay iray izay manomboka ny zavatra rehetra sy mamarana ny zavatra rehetra" na 2) "ilay iray izay efa nisy talohan'ny zavatra rehetra ary hisy aorian'ny zavatra rehetra."

Izay mangetaheta dia homeko ho sotroina maimaim-poana avy amin'ny loharanon'ny fiainana

Andriamanitra dia miresaka ny fanirian'ny olona iray ny fiainana mandrakizay toy ny hoe mangetaheta ary ilay olona mahazo ny fiainana mandrakizay toy ny hoe misotro amin'ny loharanon'ny fiainana izy.