plt_tn/rev/19/09.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Anjely iray manomboka miteny amin'i Jaona. Io anjely io dia ilay anjely izay manomboka miteny amin'i Jaona ao amin'ny 17:1 ihany.
# ireo izay nasaina
Afaka atao hoe: "ireo olona izay nasain'Andriamanitra"
# tamin'ny fety fampakaram-badin'ny Zanak'ondry
Eto ilay anjely dia miresaka ny fampifandraisana an'i Jesosy sy ireo olony mandrakizay toy ny hoe fetin'ny fampakaram-bady.
# Niankohoka teo amin'ny tongony mba hanompo azy aho
Ny hoe mampiankohoka ny tena dia miankohoka amin'ny tany, miondrika ambany, mba ho fanehoana fanajana sy sitrapo hanompo.
# ireo rahalahinao
Ny teny hoe: "rahalahy" eto dia maneho ny mpino rehetra, lehilahy sy vehivavy.
# izay mitana ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy
Eto ny hoe mitana dia maneho ny finoana amin'ny na fanambarana. DH: "izay miteny ny marina momba an'i Jesosy"
# ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy dia ny fanahin'ny faminaniana
Eto ny hoe: "fanahin'ny faminaniana" dia maneho ny Fanahy Masin'Andriamanitra. DH: "satria izany dia fanahin'Andriamanitra izay manome ny olona ny hery hilaza ny marina momba an'i Jesosy"