plt_tn/rev/13/03.md

1.0 KiB

kanefa sitrana ilay ratra saika nahafaty azy

Afaka atao hoe: "Fa ilay ratra dia sitrana"

ratra saika nahafaty

"ratra mahafaty." Izany dia ratra mafy ka tonga hatramin'ny fahafatesan'ny olona iray.

ny tany rehetra

Ny teny hoe: "ny tany" dia maneho ny olona eo aminy. DH: "ny olon-drehetra ety an-tany"

nanaraka ilay bibidia

"nankato an'ilay bibi-dia"

dragona

Biby lehibe, biby mandady masiaka, tahaka ny androngo. Ho an'ny vahoaka Jiosy, dia famantarana ny Satana sy ny korontana. Voatonona ho "devoly na Satana" ihany koa ny dragona. Jereo izay nandikanao izany tao amin'ny 12:3.

nanome ny fahefany ho an'ny bibi-dia

"nataony nanana fahefana be toa azy ilay bibi-dia"

Iza no tahakan'ny bibi-dia?

Io fanontaniana io dia mampiseho fa nahagaga azy ireo ny momba an'ilay bibi-dia. DH: "Tsy misy na iza na iza mahery tahaka an'ilay bibi-dia!"

Iza no afaka miady aminy?

Io fanontaniana io dia mampiseho ny fahatahoran'ny olona ny herin'ilay bibi-dia. DH: "Tsy misy na iza na iza miady amin'ilay bibi-dia ka handresy!"