plt_tn/rev/03/01.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity no fiatombohan'ny hafatry ny Zanak'Olona mankany amin'ny anjelin'ny fiangonana ao Sardisy.

Sardisy

Anaran-tanàna iray ao Asia, izay Torkia amin'izao fotoana izao.

ireo Fanahy fito

Ny isa fito dia famantaran'ny fahafenoana sy fahalavorariana. Ireo "fanahy fito" dia maneho na ny Fanahin'Andriamanitra na ireo fanahy fito izay manompo an'Andriamanitra.

ireo kintana fito

Ireo kintana ireo dia marika. Miseho ireo mba hanehona ireo anjely fiton'ny fiangonana fito.

velona ... maty

Ny fankatoavana sy ny fanajana an'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe velona; ny tsy fankatoavana sy tsy fanajana Azy dia resahina toy ny hoe maty.

Mifohaza

Ny hoe nampitandremana tamin'ny loza dia resahina toy ny hoe fifohazana. DH: "Mitandrema" na "Miambena"

hatanjaho izay tavela, fa efa ho faty

Ireo asa soa izay vitan'ireo mpino tao Sardisy dia resahina toy ny hoe velona izy ireo fa tandindomin'ny fahafatesana. DH: "tanteraho ireo asa tavela, raha tsy izany izay vitanao dia tsy hisy dikany" na "raha tsy mamita ny asa izay natombokao ianao, dia tsy hisy dikany ireo asanao teo aloha"